Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-15

12 Raha torina ho nitsangana tamin'ny maty àry ny Kristy, ahoana ity ilazàn'ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan'ny maty?

16 Fa na dia ny Kristy aza dia tsy nitsangana tamin'ny maty, raha tsy mitsangana ny maty. 17 Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, 18 ary very ry zareo nody mandry ao amin'ny Kristy. 19 Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin'ny olon-drehetra, raha amin'ity fiainana ity ihany no anantenantsika ny Kristy. 20 Tsy izany anefa, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Kristy, ary izy no santatr'izay efa nody mandry;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1189